Psalms 5

Salamo hatao amin’ ny maraina, milaza ny amin’ ny olona mahazo manatona an’ Andriamanitra, sy ny hitsarana ny ratsy fanahy

Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny sodina. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro. 3Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako. 4Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako
Heb handaharako.
aminao, ka hanandrandra aho.
5Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy. 6Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra. 7Haringanao ny mpiteny lainga; ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon’ i Jehovah ho zava-betaveta. 8Fa izaho kosa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masìna amin’ ny fahatahorana anao aho. 9Jehovah ô, tariho amin’ ny fahamarinanao aho noho ny amin’ ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao. 10Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana
Na: lavaka mitanatana.
; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.
11Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon’ ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben’ ny fahotany, satria efa niodina taminao. 12Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao. 13Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
Copyright information for Mg1865